BEFANDRIANA AVARATRA : RAMATOA 70 TAONA ‚ NIAMPATRA SY TSY NAHATSIARO TENA TEO AMORON-DALANA▪️EFA NAHAZO FITSABOANA KA MITADY HAVANY
Torana teo amin’ny sisin-dalana ao amin’ny fokontany Ambalakirajy kaominina Morafeno distrikan’ny Befandriana-Avaratra ity Ramatoa izay tombanana ho 70 taona ity androany 16 Oktobra 2022 . Nohentiny chef Fokontany tany amin’ny Hôpital Befandriana avaratra , ary noraisina Medecin Inspecteur an-tanana ny fitsaboana azy . Rehefa nahatsiaro tena izy dia niezaka nanontany ny mombamomba ny mpitsabo sy ny mpanao gazety saingy tsy nahazo valin-teny mahafa-po ‚ izy rahateo mora tezitra.
Tsy nilaza ny anarany izy fa mikasa ho an’ny amin’ny tanàna Bemampaza ‚ hamonjy ny zanany antsoina hoe Milavola izy raha ny nambarany . Nidina ifotony nijery azy teny amin’ny hôpital ny Ben’ny tanàna Kaominina Morafeno fa tsy misy anarana tanàna Bemampaza hono ny ao amin’ny kaominina misy azy.