a
FandraisanaVaovaom-paritraBEFANDRIANA AVARATRA : NIHARAN-DOZA NY KAMIAO NITONDRA GAZOALIN’NY JIRAMA

BEFANDRIANA AVARATRA : NIHARAN-DOZA NY KAMIAO NITONDRA GAZOALIN’NY JIRAMA

BEFANDRIANA AVARATRA : NIHARAN-DOZA NY KAMIAO NITONDRA GAZOALIN’NY JIRAMA

Teo amin’ny 15 km tsy hidirana ao Befandriana Avaratra no nivadika ny kamiao nitondra gazoala 14000 litatra sy menaka 80000 litatra, hamokarana herinaratra any an-toerana.

Nametraka lamina avy hatrany manoloana izany ny tompon’andraikitry ny JIRAMA raha vao nitranga ny loza . Nandefa kamiao iray hafa niainga teto Antsohihy ‚ hitatitra ny antsasak’ilay gazoala izay sisa tsy very . Efa mandray ny andraikiny ihany koa ny tompon’ny fiara sy ny vaditany ary ny zandary manao ny fanadihadiana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza.

Na eo aza izany ‚ Tsy misy ahiana aloha ny famokarana herinaratra ao Befandriana Avaratra ato anatin’ny herinandro ‚ raha ny fanazavana nomeny tompon’andraikitra.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment