a
FandraisanaFahasalamanaBEALANANA : ZAZA MIISA 08 AHIANA HO MPITONDRA ARETINA “ PESTE ” AO AMBARARATIN’I SOFIA

BEALANANA : ZAZA MIISA 08 AHIANA HO MPITONDRA ARETINA “ PESTE ” AO AMBARARATIN’I SOFIA

BEALANANA : ZAZA MIISA 08 AHIANA HO MPITONDRA ARETINA “ PESTE ” AO AMBARARATIN’I SOFIA

5 amin’ireo zaza 08 izay nahitana fambara aretina “ peste ” no mbola manaraka fitsaboana hatreto ‚ Efa nalefa nody kosa ny 03 fanampiny raha ny loharanom-baovao voarainay hatreto . Zaza latsaky ny 15 taona avokoa izy ireo ‚ nahitana tangiky ( ganglions ) teo amin’ny manodidina ny valahan’izy ireo kanefa tsy misy ratra na zavatra nanjohy azy ka mety hitondra izany tangiky izany.

Ahiana ho mitondra aretina « peste » ireo ankizy 08 ireo raha ny tatitra voaray avy any an-toerana ‚ efa misy ny fitsirihana sy fanadihadiana nataony mpitsabo izay miaramiasa amin’ny “ institutie pasteur ” ‚ aorian’izay vao afaka milaza fa tena « peste » tokoa na tsia ny mahazo ireo ankizy . Ampy ihany koa ny fanafody iatrehana izany any an-toerana fa ny fiara mpitatitra marary ( Ambulance ) raha sendra misy fahasarotana no mampanahirana sy tsy ao amin’ny distrikan’i Bealanana izay anaovany mponiny antso avo amin’ireo manampahefana.

Andrasana araka izany ny tatitra sy fanambarana ataon’ny tompon’andraikitra sy ireo manam-pahefana momba izany fa anisany aretin-doza sy efa namono olona maro ny « peste » ‚ ny tsy fahampiany fitandremana sy fisorohana mialoha no mampirongatra azy ‚ raha ny fanazavana hatrany.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment