BEALANANA : TOVOLAHY NANARARAO-PATY▪️TRATEHAKA NIARAKA AMIN’NY KISOA HALATRA
Nandritra ny fotoana fiaretan-tory tamin’ny fahavoazana alina tao Antsamaka no nanararaotra nangalatra kisoan’olona ity tovolahy ity ary namidy teo an-tsena Banjabe ‚ kaominina ambonivohitry Bealanana androany 25 Febroary 2023.
Olona mahalala sy mahafantatra ity kisoa ity no nanontany azy ny fomba nahafahany nivarotra azy saingy nandositra avy hatrany izy rehefa nanontaniana . Nenjehan’ny fokonolona ary nofatorana sy natolotra mpitandro filaminana izy rehefa voasambotra.