BEALANANA : ROA TAONA TSY NISY FANAVAOZANA NY BOKIN’OMBY▪️ MIANTSO VONJY SY VAHAOLANA NY TANTSAHA
Efa ho rao taona izay ( 2021-2022 ) no tsy nisy fanavaozana ny Bokin’omby ao amin’ny tanànan’i Bealanana Faritra Sofia . Tombanana ho 3000 any ireo tokony hisitraka sy hanavao ny Bokin’ombiny saingy tsy maharaka ny “ imprimerie nationale ” izay mamoaka izany ‚ zara raha mahazo 100 ireo tompon’andraikitra mividy izany any Antananarivo ‚ araka ny fanazavana.
Tsy afaka mivarotra omby na maka vola amin’ireo mpampindram-bola ifotony mba hanatsarana ny fihariana na koa hamahana olàna misy ny Tantsaha ka velon-taraina amin’ny manampahefana ary mitaky vahaolana mifanojy amin’izany . Na hivarotra omby mba hitsaboana ireo havanay tsy salama aza izahay tsy afaka ‚ ny omby anefa mitombo isan-taona ‚ hoy izy ireo mitaraina . Voalaza fa efa nisy niarahan’ny OMC sy ny Solombavambahoaka ny taon-dasa iny saingy tsy mbola nahitana mangirana hatreto.