a
FandraisanaVaovaom-paritraBEALANANA : ROA TAONA TSY NISY FANAVAOZANA NY BOKIN’OMBY▪️ MIANTSO VONJY SY VAHAOLANA NY TANTSAHA

BEALANANA : ROA TAONA TSY NISY FANAVAOZANA NY BOKIN’OMBY▪️ MIANTSO VONJY SY VAHAOLANA NY TANTSAHA

BEALANANA : ROA TAONA TSY NISY FANAVAOZANA NY BOKIN’OMBY▪️ MIANTSO VONJY SY VAHAOLANA NY TANTSAHA

Efa ho rao taona izay ( 2021-2022 ) no tsy nisy fanavaozana ny Bokin’omby ao amin’ny tanànan’i Bealanana Faritra Sofia . Tombanana ho 3000 any ireo tokony hisitraka sy hanavao ny Bokin’ombiny saingy tsy maharaka ny “ imprimerie nationale ” izay mamoaka izany ‚ zara raha mahazo 100 ireo tompon’andraikitra mividy izany any Antananarivo ‚ araka ny fanazavana.

 Tsy afaka mivarotra omby na maka vola amin’ireo mpampindram-bola ifotony mba hanatsarana ny fihariana na koa hamahana olàna misy ny Tantsaha ka velon-taraina amin’ny manampahefana ary mitaky vahaolana mifanojy amin’izany . Na hivarotra omby mba hitsaboana ireo havanay tsy salama aza izahay tsy afaka ‚ ny omby anefa mitombo isan-taona ‚ hoy izy ireo mitaraina . Voalaza fa efa nisy niarahan’ny OMC sy ny Solombavambahoaka ny taon-dasa iny saingy tsy mbola nahitana mangirana hatreto.

Niezaka nifampiresaka tamin’ny lehiben’ny Distrika ao Bealanana ihany izahay manoloana ity tranga mampanahirana ny Tantsaha ity ‚ nilaza izy fa efa mitady vahaolana momba izany ary niantso ireo Tantsaha mba hanatona azy ‚ hifampiresaka raha misy olàna momba io Bokin’omby io ‚ namafisiny ihany koa Tantsaha eran’ny Madagasikara no tratran’izao olana izao saingy miezaka ny mitady vahaolana ny tompon’andraikitra.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment