a
FandraisanaVaovaom-paritraBEALANANA : NODORANA AVOKOA IREO RONGONY 312‚25 Kg SARONA TAO ANTSAMAKA‼️

BEALANANA : NODORANA AVOKOA IREO RONGONY 312‚25 Kg SARONA TAO ANTSAMAKA‼️

BEALANANA : NODORANA AVOKOA IREO RONGONY 312‚25 Kg SARONA TAO ANTSAMAKA‼️

Tsy niandry fotoana lava fa niroso avy hatrany tamin’ny fandorana rongony milanja 312,25Kg izay saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Ambodivohitra – CR Antsamaka Distrikan’i Bealanana omaly 20 Jona 2023‚ ireo manampahefana ifotony izay notarihin’ny lehiben’ny Distrika sy ireo solontem-pokonolona.

Tsy nisy olona voasambotra niaraka tamin’ireo rongony ireo‚ mandeha ny fanadihadiana sy fikarohana ireo tambazotra misehatra amin’ny zava-mahadomelona ao Bealanana‚ araka ny fanazavana voaray nandritra ny fandorana azy androany 21 Jona 2023.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment