BEALANANA : LEHILAHY IRAY MATY NOHO NY FAMONOANA AFO TAO ANTAMBATO
Anisan’ireo nafana fo tamin’ny famonoana ny afo niredareda tao Antambato ‚ kaominina ambonivohitry Bealanana ny fiandohan’ity herinandro ity ilay rangahy . Tafahitsoka tampoka teo afovoany ary voakodidiny afo ka raikitra tao ary tsy avotra intsony raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana.
Namoy ny ainy araka izany ilay rangahy ary tsy nisy izay nahafantarana azy rehefa voafehy ny afo . Nalevina androany alarobia 19 Oktobra 2022 ny vatany sisa tsy levony afo tao anaty antsana izay nandavo azy . Mankahery ny fianakaviana manamanjo.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.