a
FandraisanaVaovaom-paritraBEALANANA : HITA TARATRA AMIN’NY ASA VITANY NY FAHAVONONANA SY FINIAVAN’NY KOMANDIN’NY TOBIM-PARITRA VAOVAO ‚ NY HITONDRA FANOVANA SY FANDRIAMPAHALEMANA

BEALANANA : HITA TARATRA AMIN’NY ASA VITANY NY FAHAVONONANA SY FINIAVAN’NY KOMANDIN’NY TOBIM-PARITRA VAOVAO ‚ NY HITONDRA FANOVANA SY FANDRIAMPAHALEMANA

BEALANANA : HITA TARATRA AMIN’NY ASA VITANY NY FAHAVONONANA SY FINIAVAN’NY KOMANDIN’NY TOBIM-PARITRA VAOVAO ‚ NY HITONDRA FANOVANA SY FANDRIAMPAHALEMANA

Miavaka ihany ny tanora rehefa omena andraikitra eo amin’ny fitantanan-draharaha ‚ roa volana lasa izay no voatendry hiasa ‚ hitarika fibaikoana ao amin’ny tobim-paritra Bealanana ‚ ny GPHC (Gendarme principal hors classe) BENEKO Soloniana Hubert.

 Betsaka ny fihovana nohentiny nandritran’izany roa volana nandraisany fibaikoana izany ‚ raha tsy hitanisa afa tsy ny fanarenana sy fanatsarana ny endrika ny zandary feheziny sy ny manodidina azy ‚ fanomezana fanamiana iraisana ( survêtement ) ‚ fanatsarana ny birao fiasana ‚ toeram-ponenan’ireo zandary ‚ ankoatrizay ny fametrahana ny fandriampahalemana eny ifotony.

Nanova zavatra maro tokoa ny fahatongavan’ny Cdt Compagnie Tobias ‚ izay komandin’ny vodron-tobim-paritra ‚ lehibe mifehy ireo zandary eto Antsohihy sy Analalava ary Bealanana ‚ azo heverina fa izy no narahin’ireo zandary feheziny ho tia fihetsiketsehana makany amin’ny fandriampahalemana sy fivoarana izao.
Hifarana ny taona 2022 ary hiatrika taom-baovao 2023 ka azo heverina sy antenaina fa hanohy ny ezaka sy fanatsarana efa nataony ireo zandary ato amin’ny vondron-tobim-pileovana Sofia ‚ izay tarihiny Kolonely Lys Odon Radiamidona.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment