a
FandraisanaFanatanjahan-tenaBCP JEAN CLOVIS : 20 TAONA NANAOVANA POLISY ‚ TSY MBOLA MIOVA NY TANJONA SY FANAMBY DIA NY HO ANDRY SY REHAREHAN’NY OLOM-PIRENENA

BCP JEAN CLOVIS : 20 TAONA NANAOVANA POLISY ‚ TSY MBOLA MIOVA NY TANJONA SY FANAMBY DIA NY HO ANDRY SY REHAREHAN’NY OLOM-PIRENENA

BCP JEAN CLOVIS : 20 TAONA NANAOVANA POLISY ‚ TSY MBOLA MIOVA NY TANJONA SY FANAMBY DIA NY HO ANDRY SY REHAREHAN’NY OLOM-PIRENENA

Mamarana ny fankalazana ny faha-60 taona ny Polisim-pirenena ny Polisy rehetra manerana an’i Madagasikara androany 30 Septambra 2022 . Andro miavaka sy manana ny maha izy azy amin’ny Polisim-pirenena ny andron’ny 30 Septambra io ka misy isan-taona ny fanamarihana azy.

Tsy kisendrasendra anefa ‚ fa lahatry ilay mpahary ary manaporofo ny fahalebiazan’IZY ILAY NAHARY ‚ ny nampifanin-dalana ny daty nahaterany RIDA Jean Clovis ‚ na BCP CLOVIS sy ny daty ofisialy nisiany Polisim-pirenena teto Madagasikara dia ny 30 Septambra . Miara-mankalaza ny taona nahaterana amin’ny Polisim-pirenena isan-taona araka izany izy ‚ izy rahateo ‚ POLISY nivoaka tamin’ny andiany faha-16 ‚ izay nisalotra ny anarana ARO ( 16 ème Promotion – ARO « ANDRY SY REHAREHAN’NY OLOM-PIRENENA » ).

 Fony mbola Zaza dia efa naniry ny hanao Polisy izy ary tafiditra soamatsara ka nanomboka asa tao amin’ny Commissariat de Sécurité Publique Mandritsara ny taona 2002 – 2006 ‚ tao amin’ny CSP Bealanana ny taona 2006 – 2009 ‚ tao Maroantsetra ny taona 2009 – 2010 ‚ tao Mampikony ny taona 2010 – 2014 ‚ tao Ambanja ny taona 2014 – 2021 ary eto Antsohihy ao amin’ny “ Service Régionale de la Police Judiciaire Sofia ” izy ny taona 2021 ka hatramin’izao.

20 taona nilomanosana tao anatin’ny asa fitandroana fialaminana ary tsy mitsahatra mandamina sy manao ezaka rehetra hanatsarana ny fiarahamonina ‚ ny Tanjona sy fanamby rahateo tsy miova fa miraikitra ao anaty fo sy ny saina dia POLISY ‚ ANDRY SY REHAREHAN’NY OLOM-PIRENENA ‚ hoy izy namporisika ireo tanora ‚ hanao ny marina sy hijoro amin’ny rariny hatrany hoan’i Tanindrazana sy Taranaka fara mandimby.
🔥 Mirary azy ho lava andro ao anaty Fahasalamana ary ahazo izay hiriana 🌟💯
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment