a
FandraisanaVaovaom-paritraBATAILLON D’INFANTERIE ANTSOHIHY : NASEHO AMBANY FANEVA IREO MIARAMILA ZAZAVAO 48‼️

BATAILLON D’INFANTERIE ANTSOHIHY : NASEHO AMBANY FANEVA IREO MIARAMILA ZAZAVAO 48‼️

BATAILLON D’INFANTERIE ANTSOHIHY : NASEHO AMBANY FANEVA IREO MIARAMILA ZAZAVAO 48‼️

Naseho ambany faneva ireo miaramila zazavao miisa 48‚ nahavita fiofanana fototra ara-miaramila nandritra ny 03 volana tao amin’ny Bataillon d’infanterie Antsohihy. Androany 02 Jona 2023 teo anatrehan’ny Cdt Brigade d’infanterie Nord Ouest – Kolonely RAPHAEL Solondriaka Holden sy Kolonely Bakoize Merrick – Bataillon d’infanterie Antsohihy‚ ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana maro‚ ny Ben’ny Tanàna NASIRY Ali ary vahoakan’Antsohihy no nanatanterahana izany.

Hanatanteraka asa fanompoana Tanindrazana sy raharaha ara-miaramila mandritra ny 02 taona izy ireo aorian’izao‚ mahazo “certificat de bonne conduite” raha ohatra ka mendrika izy ireo mandritra izany. Alefa mody amin’ny fianakaviany rehefa vita izany rehetra izany ka any izy no miandry “rengagement” izay tsy miankina avy amin’ny “Bataillon d’infanterie” na avy amin’ny “Brigade” fa avy any amin’ny fibaikoana ambony araka ny fanazavana.

Zanaky ny faritra Sofia avokoa ireto Tanora nanolotena amin’ny fanompoana Tanindrazana nanao miaramila ao amin’ny “Bataillon d’infanterie Antsohihy”ireto. Manana tombony fa indrindra rehefa mitady asa na manao asam-panjakana ireo tanora mahavita 02 taona nanao miaramila zazavao‚ araka ny fanazavana hatrany.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment