BASIKETY SOFIA : NANKASITRAKA NY FIARAHANA I ROGER
Betsaka ny traikefa azo nandritra ny fiarahana tao Antsohihy ‚ asam-panjakana tsy vita amin’ny toerana iray koa mankasitraka ny ekipa rehetra mpankafy BASIKETY SOFIA ny tenako ‚ io no hafatra napetrany sady nametra-beloma mandrapihaona.
Jean Noël dit Roger dia Tanora ‚ namorona ny vondrona AJSM ( Association des Jeunes Sportifs Milay ) sy AJSS ( Association des Jeunes Sportifs Sofia ) ‚ samy ekipa mpilalao Basikety mijoro eto Antsohihy izy roa ireo ‚ nampiofanana sy nampivondronana ireo tanora mpankafy sy manan-talenta amin’ny Basikety . Niasa tao amin’ny “ visite technique automobile ” na Birao misahana ny fanarahamaso sy ny fitsirihana fiarakodia Antsohihy ary izao izy miasa any Ivato Antananarivo sady manampy fahalalana sy traikefa momba ny asa.