a
FandraisanaToekarenaBAKALOREA AO BORIZINY : MIPARITAKA SAHADY NY LAZA ADINA

BAKALOREA AO BORIZINY : MIPARITAKA SAHADY NY LAZA ADINA

BAKALOREA AO BORIZINY : MIPARITAKA SAHADY NY LAZA ADINA

Raha tsy misy fiovana ‚ ny alatsinainy 18 Jolay 2022 izao no hanomboka ny fanadinana Bakalorea manerana an’i Madagasikara ‚ anisan’izany ny ato amin’ny faritra Sofia . Tsikaritra tatoato anefa ‚ misy ireo olona ‚ andian’olona manaparitaka ary milaza any amin’ny vondrona ZANAKA BORIZINY fa manana Laza adina ‚ afaka mandefa soratra miafina ( MP ) aminy izay liana amin’izany ‚ raha ny soratra tazana nipataritaka tatoato amin’ny tambazotran-tserasera.

Nisy ny fidinana ifotony nataony Jeneraly Lylyson René de Rolland ‚ ny Governoran’ny faritra Sofia androany Sabotsy 16 Jolay 2022 tao Port Bergé ‚ nanomezana toromarika ireo mpitandro filaminana amin’ny fiabenana ny Laza adina ary ny tokony handraisana fepetra haingana sy hentitra amin’izay mikasa hanakorontana ny fanadinana.

Efa ao amin’ny zandary ny Laza adina ankehitriny ‚ efa tonga ihany koa ireo solontena avy amin’ny fitondram-panjakana foibe

Efa ao amin’ny zandary ny Laza adina ankehitriny ‚ efa tonga ihany koa ireo solontena avy amin’ny fitondram-panjakana foibe ‚chef de centre izay hanaramaso ny fizotrany fanadinana mba ahazahoana voakatra tsara . Nirary soa ireo izay handray anjara amin’ny fanadinana Bakalorea sahady ‚ ho tony sy hilamina ary ho vonona lalan-dava amin’ny laza adina efa voahomana sy tsara ambina fa tsy hionina amin’ny tsaho na kisendrasendra ny Governoran’ny faritra Sofia.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

-/-