a
FandraisanaVaovaom-paritraBAIKO MIDINA : NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA OLONA ROA VOALAZA NIDAROKA TOVOLAHY NANAO ANKANJO VOLOMBOASARY TAO SAMBAVA‼️

BAIKO MIDINA : NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA OLONA ROA VOALAZA NIDAROKA TOVOLAHY NANAO ANKANJO VOLOMBOASARY TAO SAMBAVA‼️

BAIKO MIDINA : NAHIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA OLONA ROA VOALAZA NIDAROKA TOVOLAHY NANAO ANKANJO VOLOMBOASARY TAO SAMBAVA‼️

Tsy tokony avelantsika handeha fotsiny amin’izao fa mitadiava olona hijoro vavolombelona ‚ hilaza fa nisy naniraka na nokaramaina ireo andian’olona vitsy nisavoritaka ilay nanao ny tee-shirt-ako tany amin’ny faritra SAVA ‚ hetsika izay efa nomanina mialoha raha ny fahitako azy ka tokony ho faizintsika ‚ hoy ilay baiko midina ‚ nisy namoaka tamin’ny tambazotran-tserasera raha ahitsy ‚ taoriany hetsika fitakiana vahaolana momba ny seham-pihariana lavanila.

Olona roa no voalaza fa voasabotra ary nahiditra am-ponja vonjimaika hatreto ‚ ny fikasihan-tànana olona nanao ankanjo volomboasary nisy sarin’ny filoham-pirenena no antony fanenjehana raha ny vaovao miely.

Tanteraka araka izany ilay baiko azon’ireo mpitandro filaminana ‚ andrasany maro ny didim-pitsarana fa na izany mametra-panontania ny mpanara-baovao ‚ izy roa ireto ve ilay nikasi-tànana sa ilay tompony vola nikarama sa izy roa ireto no atao sorona ho fanatanterahana ilay baiko midina ?

Raha ny fanazavana nataony Depiote Mamangy Norbert dit Jack dia efa fanaon’olona any rehefa romotra sy leo amin’ny antoko politika iray ireny ‚ efa nisy fandroahana olona nanao tee-shirt Marc Ravalomanana na tany ka noroahin’olona tao anaty fiara fitateram-bahoaka tamin’izany fotoana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment