a
FandraisanaKolontsaina sy TalentaBAHOEJY : TSY FANTATRO NY ASAN’ILAY FANOMEZANA ( MARIBONINAHITRA ) NOMENA AHO FA TIAKO RAHA MBA ANDRAISAM-BOLA ILAY IZY

BAHOEJY : TSY FANTATRO NY ASAN’ILAY FANOMEZANA ( MARIBONINAHITRA ) NOMENA AHO FA TIAKO RAHA MBA ANDRAISAM-BOLA ILAY IZY

BAHOEJY : TSY FANTATRO NY ASAN’ILAY FANOMEZANA ( MARIBONINAHITRA ) NOMENA AHO FA TIAKO RAHA MBA ANDRAISAM-BOLA ILAY IZY

 Miavaka tanteraka ny faritra Sofia rehefa maneho ireo fomba amam-panao fa indrindra ny dihy mampiavaka ny faritra rehefa miatrika ny lanonana na eto Madagasikara na any ivelany ‚ raha manao DIHY BAHOEJY.

 BAHOEJY dia anaran’olona namorona ny DIHY izay mampiavaka ny faritra Sofia ‚ teraka tamin’ny taona 1962 ‚ monina sy mipetraka ao fokontany Ambohimandririna ‚ kaominina Ambodimandresy – Distrikan’i Antsohihy . Mpamboly ny asany ‚ mikarakara ireo voliny ary manao ilay dihy nampiavaka azy no mandany ny andavan’androny.

Tamin’alalany korodogno 🪗 ( accordéon ) no nanombohan’izy sy ny namany ny dihy fony izy 20 taona . Nahilikilik’olona teo anivon’ny fiarahamonina izy roalahy raha nanao famerenana ilay dihy tao an-tànana‚ hany ka tany an-tsaha ‚ anaty alan’akondro ( katakata ) ary ny Vatan-katakata no nalaina natao fianarana ho solony vehivavy tamin’izany . Nivoatra ny fanaovana azy ka tamin’izany vao nanomboka niditra an-tanàna i BAHOEJY sy ny namany mpitendry korodogno 🪗 ‚ nanomboka nahasintona olona ny hakantony dihy aveo ka nianatra sy nampianarina ireo tovovavy an-tanàna ka rehefa nivoaka tsara ilay dihy dia nafarina manokana rehefa misy tsaboraha ( lanonana ) mba haneho ny talentany amin’ny dihy i BAHOEJY sy ny ekipany ary dia Raikitra ny fiarahamiasa tamin’ny mpanakanto maro ‚ noraketina ho BAHOEJY ihany koa ny anarany DIHY ‚ araka ny fanazavana.

Hatramin’izay dia tsy mbola nisitraka vaingan-javatra noho ny talentany izy ‚ Ankoatrany mariboninahitra izay natolotra azy ny 12 Septambra 2022 teo ‚ raha ny fanazavana nataony . « Mbola tsy fantatro ny asan’io fanomezana azoko io ‚ Tiako raha mba ahazahoam-bola io fa miha antitra ny tenako ‚ matetika izaho afarina miakatra an-drenivohitra saingy tsy misy zavatra firy azoko ‚ namboarina ny tranoko teo nefa mbola satrana ihany no nanaovana azy ka tiako raha mba atao mafy horina amin’izay aho mipetraka milamina ‚ tsy miasa saina hanamboatra isan-taona intsony.» hoy ny fanazavana nataony BAHOEJY androany 15 Septambra 2022.

Tsara ny mampahafantatra fa amin’ity trano ity no mipetraka i BAHOEJY ‚ trano fotaka mitafo satrana ary varavarana falafa na fomby . Miantso tolo-tànana amin’izay tsara sitra-po i BAHOEJY mba hanampy azy amin’ny fanamboarana ny tranony sns . Nilaza ny fahavononany amin’ny fiarahamiasa amin’olona rehetra izy ary vonona handeha miaraka amin’ny ekipany raha misy ilana azy.

Tsy mbola manana finday na telefonina moa izy amin’izao ‚ mahatsapa ary mino izahay ato amin’ny pejy Aboaho Ankiaka fa betsaka ireo mahatsapa fa kanto ny sangan’asany ary nahavita be tamin’ny Tanindrazana ka mendrika ny ho tohanana sy ho ampiana.
🥰✨ ZARAO HO HITAN’IREO NAMANA HO FANAMPIANA AN’NY MPANAKANTO BAHOEJY ✨🥰
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment