a
FandraisanaVaovaom-paritraATT SOFIA : AIM-BAHOAKA NO AMBONY INDRINDRA KA SAMIA MITANDRINA‼️

ATT SOFIA : AIM-BAHOAKA NO AMBONY INDRINDRA KA SAMIA MITANDRINA‼️

ATT SOFIA : AIM-BAHOAKA NO AMBONY INDRINDRA KA SAMIA MITANDRINA‼️

Mifanampy ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra misahana ny fitaterana an-tanety ( ATT ) ato amin’ny faritra Sofia ho fisorohana ny loza mialoha sy mandritra ary aoriany fetin’ny paska mba hahateraka ilay fanamby napetraky ny ministera dia PASKA IREN-DOZA.

Nisy araka izany ny fanentanana sy fanairana ary fampatsiahivana ireo mpamily manao ny fitateram-bahoaka an-tanety sy ireo mpampiasa ny lalam-pirenena mba hanara-dalàna.

Hetitra izahay ary tsy handefitra manoloana ny mety ho fandikan-dalàna misy eo amin’ny sehatry ny fitaterana . Tsy azo atao ary tsy ekena ny fanaovana dona-miverina ‚ ny fanaovana tsentsimbe ‚ taingimbe ‚ tsy fanaovana aro-loha hoan’ny mpitondra moto ‚ ny fitondrana fiara tsy nahazo fankatoavana avy amin’ivon-toerana misahana ny fitsirihana ny fiarakodia sns ‚ satria aim-bahoaka no ambony indrindra ka tokony ho tandremana sy arovana ‚ indrindra ankatok’izao fetin’ny paska izao dia maro ny fiara mivezivezy koa entanina ny rehetra samy hanara-dalàna ‚ hoy Nulecy Wendelss Raozaba ‚ lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fitaterana an-tanety ato amin’ny faritra Sofia ( ATT ) tao amin’ny parikazy be Antsohihy androany 06 April 2023.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment