a
FandraisanaSosialyASUM : ATSIKA JIABY MITAMBATRA NO FANALAHIDIN’NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

ASUM : ATSIKA JIABY MITAMBATRA NO FANALAHIDIN’NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

ASUM : ATSIKA JIABY MITAMBATRA NO FANALAHIDIN’NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

Tao amin’ny Hôtel le PARADISIER Antsohihy no nanaon’ny ASUM ( Association des Sortants de l’Université Mahajanga ) fety be mitalakotrokotroka ‚ fifampiarabana tratry ny taom-baovao 2023 . Saika tazana namaly antso avokoa ireo mpianatra nahavita fianarana tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga izay mipetraka eto Antsohihy ‚ ( Dr Laddy ‚ Dr Annicet… ).

Fanombohana ny hetsika natao ny fanatanterahana fambolen-kazo niraisana tao Drawa iny ‚ nitohizana amin’ny fety fifampiarabana tratry ny taom-baovao . Mitohy ny fandraisana andraikitra sy fanatanterahana ny adidy ‚ hitondrasana ny anjara biriky eo amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina sy Faritra misy ny tena ‚ aza misalasala miditra sy mifampiresaka aminay fa isika rehetra mitambatra no fanalahidin’ny fandrosoana lovain-jafy ‚ hoy Innocent ‚ filohan’ny Fikambanana ‚ niantso ireo mpianatra nahavita fianarana tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga ‚ Hanatevin-daharana ao anaty fikambanana sy hivondrona ho iray.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment