ARB : MANOLOTRA FIOFANANA MAIMAIM-POANA HOAN’NY REHETRA
« Andeha hifampisintona hiakatra isika. »hoy ny Filohan’ny Anjomara sy Rivo-baovao RAOBELINA Andry.
Ho fampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara fa indrindra ny fiompiana dia manolotra fampiofanana arak’asa maimaimpoana sy fampananan’asa ny rehetra ny antoko ARB. Miompana amin’ny sehatry ny « Fiompiana kisoa » ny hetsika rahampitso 05 Jona 2023 ao amin’ny PLAZA Ampefiloha Antananarivo.