a
FandraisanaVaovaom-paritraAPM SAMBAVA : MANAMELOKA NY DAROKA NATAON’NY POLISIN’NY FIP TAMIN’NY MPIASAN’NY FAHASALAMANA ARY MITAKY FANDRAISANA ANDRAIKITRA‼️

APM SAMBAVA : MANAMELOKA NY DAROKA NATAON’NY POLISIN’NY FIP TAMIN’NY MPIASAN’NY FAHASALAMANA ARY MITAKY FANDRAISANA ANDRAIKITRA‼️

APM SAMBAVA : MANAMELOKA NY DAROKA NATAON’NY POLISIN’NY FIP TAMIN’NY MPIASAN’NY FAHASALAMANA ARY MITAKY FANDRAISANA ANDRAIKITRA‼️

Toa zary ho fampandrina andrisa fotsiny ilay fanambarana nataon’ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka ao amin’ny faritra SAVA fa hatreto‚ tsy hita taratra ny fandraisana andraikitra‚ hoy ny fampitam-baovao mihainga avy any Sambava momba ireo sivily roa sy mpiasan’ny fahasalamana iray izay voalaza fa nodarohin’ireo polisin’ny FIP ny alahady 21 Mey 2023 teo.

Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana izany ireo avy ao amin’ny APM ( Associations des Paramédicaux Madagascar ) Sambava faritra SAVA‚ izay mikambana ao amin’ny SISFM (Syndicat des Infirmièr(e)s et des Sages Femmes de Madagascar)‚ nanameloka ny famonoana‚ herisetra nataon’ireo Polisin’ny FIP tamin’ny vahoaka fa indrindra ny mpiasan’ny fahasalamana izay naman’izy ireo.

Takin’izy ireo araka ny hetsika fanairana nataon’izy ireo ny fandraisana andraikitra manoloana iny raharaha iny fa tsy hijanona ho resa-be famonoana afo fotsiny. Namafisin’izy ireo fa manaraka akaiky iny raharaha iny izy.

Efa nisy moa ny fanambarana nataon’ny Polisim-pirenena momba iny raharaha iny ka andrasana ny mety ho tohiny.

TSINDRIO ITY ROHY ITY HOAN’IZAY MBOLA TSY NAHITA FANAZAVANA ⬇️⬇️⬇️
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment