ANTSOHIHY : ZAZALAHY KELY 10 TAONA MIRENIRENY▪️REHEFA NANDOSITRA NY HABIBIANA NATAONY RENY KELINY
Tazany ekipantsika ato amin’ny pejy Aboaho Ankiaka ity zazakely vao 10 taona monja ity mangataka sy mirenireny erany tanànan’i Antsohihy . Nohadihadiana ary nanontaniana ny mety ho antony nanaovana izany izy ka tsy nisalasala nitantara.
Nisaraka ny Rainy sy ny Reniny ‚ nanambady hafa ny Rainy ary nohentiny nanaraka azy any Andampy ilay zaza aveo mba ho tezainy Reny keliny . « Tsy tian’ilay Reny keliko aho ka ampijaliany rehefa tsy eo ny Raiko ary nodorany tamin’ny afo aho . Tehandeha hody any amin’ny Reniko any Andamoty aho fa tsy manam-bola atao saran-dalana » ‚ hoy ity zazakely fantatra amin’ny anarana Judelle ity nanazava.
Nanaraka olona nandeha fiara avy any Marovantaza izy mba handositra aty Antsohihy ‚ izao tazana mirenireny izao . Matory eny an-tsena sy any amoron-dalana izy rehefa alina ary mangataka mitety tanàna rehefa mazava ny andro.