ANTSOHIHY : VOAVAHA AFAKA 05 ANDRO NY OLÀN’NY “DÉLESTAGE”
Tonga tao amin’ny lapan’ny Faritra Sofia ary noraisin’ny Governora sy ny tompon’andraikitra aveo anivon’ny JIRAMA sy FIRST ÉNERGIE Antsohihy ny milina vaovao ‚ manana tanjaka 400Kwa avy amin’ny fitondram-panjakana.
Tsy nitazam-potsiny izahay manoloana ireo olàn’ny fahatapahany herinaratra nisesisesy teto Antsohihy ‚ vokatry ny fahasimban’ny milina iray manana tanjaka 600Kwa ao amin’ny First Énergie Bekitrobaka no fototry ny olàna . Efa tonga ny fitaovana hanamboarana azy ‚ efa misy milina vaovao vao nafarana ihany koa tonga eto amintsika ka aorin’ny fametrahana ity milina vaovao ity ‚ izay tombanana ho 05 andro eo ‚ miampy fahavitany milina izay efa nazahoana fitaovana io dia heverina sy antenaina ho ara-dalàna ny famatsiana herinaratra eto Antsohihy ary tsy ho avelainay hisy olana maharitra tahaka izao intsony fa hisy ny fanarahamaso atao ‚ hoy ny Gouverneur Faritra Sofia ‚ Jeneraly Lylyson René de Rolland androany 05 Janoary 2023.