a
FandraisanaSosialyANTSOHIHY : VITA RARIVATO NY LALANA MIAKATRA ANY AMIN’NY FONJA‼️

ANTSOHIHY : VITA RARIVATO NY LALANA MIAKATRA ANY AMIN’NY FONJA‼️

ANTSOHIHY : VITA RARIVATO NY LALANA MIAKATRA ANY AMIN’NY FONJA‼️

Zary ho nofy ilay lalana ratsy ‚ feno fotaka ary malama rehefa fotoam-pahavaratra amin’iny fiakarana andeha amin’ny fonja ‚ mihainga avy any amin’ny Hôtel Diego ‚ lalam-pirenena faha-06 iny.

Vita rarivato ( pavé ) ny lalana ankehitriny ‚ afaka hivezivezen’ny Fiara rehetra . Tonga nanao « réception définitive » ny faram-parany herinandro teo ‚ ny Governoran’ny faritra Sofia sy ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali ary ireo tompon’andraikitra ara-panjakana maro.
 Vola vatsiny fitondram-panjakana foibe ‚ izay tantanin’ny Governoran’ny faritra Sofia no nahavitana izany ‚ araka ny fanazavana . Nitondra fisaorana ny fitondram-panjakana mahefa tamin’ny anarany vahokan’Antsohihy ary nangataka ny hanohizana izany isam-pokontany ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali.

Ezaka tahaka izao no andrasanay amin’ny mpitondra ‚ ary angatahina tsy hijanona izany mba hahatsapanay fa miasa hoanay tokoa izy ireo ‚ hoy mpampiasa ity lalana ity ‚ nankasitraka ny fitondram-panjakana.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

e.fandrai@gmail.com

-

-/-