a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : TSY MARISIKA NY MPAMPIASA AMIN’NY FAMPISITRAHANA NY ZON’NY MPIASA‼️

ANTSOHIHY : TSY MARISIKA NY MPAMPIASA AMIN’NY FAMPISITRAHANA NY ZON’NY MPIASA‼️

ANTSOHIHY : TSY MARISIKA NY MPAMPIASA AMIN’NY FAMPISITRAHANA NY ZON’NY MPIASA‼️

Raha statistika dia 1/3 ny mpiasa ihany no misitraka ara-dalàna ny zo-ny eto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia‚ kanefa zo ary anisan’ny singa takiana amin’ny fampiasana olona iray ny fisiany fifanarahana arak’asa sy fampidirana azy hikambana amin’ny CNaPS izay miahy tanteraka ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana raha ny fanazavana.

Nisy araka izany ny atrik’asa fampahafantarana ny adidy sy andraikitrin’ny CNaPS sy ny sampandraharaha misahana ny fanarahamaso ny asa sy mpiasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny fitsarana momba ny asa ato amin’ny faritra Sofia‚ izay nanasana ireo mpampiasa sy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny sampandraharaha tsy miankina amin’ny fanjakana. Tsikaritra fa tsy mbola marisika ny mpampiasa mampisitraka ny mpiasa ny zo-ny fa na izany miezaka ny tompon’andraikitra amin’ny fanentanana mba hisian’ny fanarahan-dalàna sy fampanarahan-dalàna. Tanjona ny mba afahan’ny mpiasa misitraka ny zo-ny ara-dalàna sy ampilaminana.

Anisany voaresaka nandritra ny atrik’asa ny tokony hanarahana ny toromarikin’ny fitondram-panjakana amin’ny famerana ny karaman’ny mpiasa farany ambany hoan’ny sehatra tsy miankina sy ny tokony hanoratana ny anaran’ny mpiasa any amin’ny CNaPS ary ny fanajana‚ fanarahan-dalàna momba ny zon’ny mpiasa sady fampiroboroboana ny fanarahana izany. Niatrika ny fotoana ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy‚ ny Filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy‚ ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali ary tompon’andraikitra avy ao amin’ny fitaleaparitry ny asa‚ izay notarihiny Talem-paritra.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment