ANTSOHIHY : TRATRY NY VELAPADRIK’IREO DAHALO NY KAPITENY TOBIAS▪️MATY VOATIFITRA I NORE ‚ DAHALO RAINDAHINY AMIN’NY HALATR’OMBY SADY MANANA TAMBAZOTRA MPIARO
Tratry ny velam-pandrik’ireo Dahalo tao Amborovoro fokontany Ambiahely ‚ kaominina Anahidrano ny kapiteny Tobias sy ny ekipany raha nitondra an’ingahy Jaomahita Honoré dit Noré ‚ dahalo raindahiny mampihorohoro ny vahoaka amin’ny kaominina maro ato amin’ny Distrikan’i Antsohihy ‚ izay voasambotra tao Antanambao II ‚ kaominina Anahidrano ihany ny 14 Janoary 2023.
Anisan’ireo lohandohany amin’ny tambazotran-dahalo i Noré raha ny fanazavana voaray ‚ Voalaza fa efa matetika mandalo raharaham-pitsarana izy saingy afaka foana hatramin’ny taona 2020 ‚ manana tambazotra mantanjaka sy efa mivonona mialoha amin’izay afahany manavo-tena amin’ny lafiny rehetra izy raha sendra ka voasambotra . Ity farany moa nihaiky nandritran’ny famotorana azy fa mitazona omby halatra maromaro ao Bemakamba ‚ kaominina Antsahabe ‚ Distrikan’i Antsohihy ary basy tsy ara-dalàna.
Rehefa nahazo ireo fanazavana ireo ny zandary izay notarihiny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana dia nidina hijery ireo namany izay mitazona basy ao Ambiahely ny 15 Janoary 2023 . Tamin’izany no vohodidina Dahalo 20 mitam-basy miisa fito sy lefona miaraka amin’ny antsibe izy ireo ka raikitra ny fifanjevona . Nanararaotra nandositra araka izany i Noré rehefa nafana ny fifampitifirana ka maty voatifitry zandary tao anaty fitifirana nifamaliana nandritra ny 45 minitra i Noré . Nandositra avokoa ireo namany rehefa hitany fa tsy voatohitra ireto mpitandro filaminana ary nisy maty voatifitra ny namany ‚ niezaka nanaraka ihany ny zandary ‚ kanefa niverina ihany rehefa nanakaiky ny toby fiereny izay sarotra ny fidirana aminy noho ny fisian’ny rano be ka voatery nanao fihemorana ara-hai-ady ‚ raha ny fanazavana.