a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : TOVOLAHY MPANDRAFITRA‚NAHAKASIKA HERINARATRA ▪️MATY TSY TRA-DRANO‼️

ANTSOHIHY : TOVOLAHY MPANDRAFITRA‚NAHAKASIKA HERINARATRA ▪️MATY TSY TRA-DRANO‼️

ANTSOHIHY : TOVOLAHY MPANDRAFITRA‚NAHAKASIKA HERINARATRA ▪️MATY TSY TRA-DRANO‼️

Tovolahy 17 taona ‚ mpandrafitra miasa ao Antanampizina Antsohihy ity . Tsy fantatra mazava izay tena nanjohy azy fa misy milaza fa izy hi-charge ny findainy iny no nahakasika tarobian’ny herinaratra tsy mifono tsara amin’ny toerana somary mando ka maty tsy tra-drano.

 Randrianiana Cédric no anarany ‚ Tovolahy mitady ravinahitra aty Antsohihy ‚ avy any amin’ny kaominina Alarobia ‚ Distrika Andramasina faritra Analamanga izy raha ny fanazavana . Andrasana ao Antanampizina izay misy toeram-piasany ny nofo mangatsikany mandrapaha hitondrana azy any amin’ny fasan-drazany na fanapahan-kevitra hafa.

Mirary azy handry ampiadanana ary mankahery ny fianakaviana rehetra

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment