ANTSOHIHY : TOVOLAHY MPANDRAFITRA‚NAHAKASIKA HERINARATRA ▪️MATY TSY TRA-DRANO‼️
Tovolahy 17 taona ‚ mpandrafitra miasa ao Antanampizina Antsohihy ity . Tsy fantatra mazava izay tena nanjohy azy fa misy milaza fa izy hi-charge ny findainy iny no nahakasika tarobian’ny herinaratra tsy mifono tsara amin’ny toerana somary mando ka maty tsy tra-drano.
Randrianiana Cédric no anarany ‚ Tovolahy mitady ravinahitra aty Antsohihy ‚ avy any amin’ny kaominina Alarobia ‚ Distrika Andramasina faritra Analamanga izy raha ny fanazavana . Andrasana ao Antanampizina izay misy toeram-piasany ny nofo mangatsikany mandrapaha hitondrana azy any amin’ny fasan-drazany na fanapahan-kevitra hafa.
Mirary azy handry ampiadanana ary mankahery ny fianakaviana rehetra