ANTSOHIHY : TONGA NY MILINA VAOVAO HAFA ( 425 KVA )▪️ HAMAHANA NY OLÀN’NY FAHATAPAHANY HERINARATRA
Ao anatiny fametrahana ny milina vaovao hafa ‚ izay manana tanjaka 425KVA ny tompon’andraikitra sy ireo Teknisinina nanankinana izany ankehitriny . Nidina ifotony nijery ny toe-java-misy ny Solombavambahoaka voafidy teto Antsohihy‚ Atoa Rémi dit Jao Jean androany alahady 15 Janoary 2023 ‚ niaraka tamin’ny Tale misahana ny Orinasa JIRAMA Sofia.
Tsy ela intsony fa rehefa voapetaka na vita “ installation ” ity milina vaovao tonga farany ity ka voamboatra ihany koa ny milina vaovao izay may noho ny tandrevaka teo aloha dia hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra eto Antsohihy . Tsy miraviravy tanàna ny fitondram-panjakana ‚ ny Governoran’ny Faritra Sofia ary ny Solombavambahoaka fa eo akaikinareo mandrakariva ary mahatsapa marary amin’izay zavatra manjohy atsika ka izao mitondra vahaolana izao ka mbola miantso isika ho tony ‚ hoy ny Depiote Jao Jean androany ‚ nijery ny zava-misy tao Bekitrobaka ‚ izay misy ny ivontoeram-pamokarana herinaratra eto Antsohihy.