a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : TAMBAZOTRA MPANGALATRA ZAVA-MANENO ANY AMPIANGONANA▪️VOASABOTRA I HERVÉ MIPETRAKA AO AMBALAKIDA‼️

ANTSOHIHY : TAMBAZOTRA MPANGALATRA ZAVA-MANENO ANY AMPIANGONANA▪️VOASABOTRA I HERVÉ MIPETRAKA AO AMBALAKIDA‼️

ANTSOHIHY : TAMBAZOTRA MPANGALATRA ZAVA-MANENO ANY AMPIANGONANA▪️VOASABOTRA I HERVÉ MIPETRAKA AO AMBALAKIDA‼️

Mpikarakara zava-maneno ao amin’ny fiangonana katolika‚ nandeha maraina nanokatra fiangonana sady handamina ireo zava-maneno fa handray lamesan’ny mpianatra ny alarobia 17 Mey 2023 teo no nahatsikaritra voalohany fa tsy tao ampiangonana ary nanjavona ny “ampli” vaovao‚ novidin’ny fiangonana amin’ny sarany 03 Tapitrisa Ariary mahery.

Natao filazana tao ampiangonana izany ny alakamisy 18 Mey 2023 (fahatsiarovana niakaran’i Jesoa tany an-danitra) mba hanomezam-baovao ny tompon’andraikitra raha sendra mahita azy ka nisy olona tsara sitrapo izay nandafosan’ireo tsy mataho-tody ity fitaovana ampiasaina hiderana an’Andriamanitra ity nampilaza fa nisy nivarotra 240 000Ar tany aminy izany.

Niara-nihentana tamin’ny fikarohana ny fiangonana sy ilay nivarotana fitaovana halatra‚ noraisim-potsiny tao an-tranony ao Ambalakida i Hervé M… ary nohentin’ny zandary natao famotorana. Nisy ny fisavana trano rehefa nahazo alalana ka sarona tao aminy ireto fitaovana maromaro ireto‚ izay voalaza fa an’ny fiangonana hafa novakiny ary misy amin’izy ireo fitaovana avy any Bealanana tonga aty Antsohihy araka ny loharanom-baovao voaray.

Atolotra fitsarana ity Tovolahy vao 24taona monja‚ voarohirohy amin’ny famakiana tranom-piangonana ary fangalarana zava-maneno ity.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment