a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : SAMBOARAVOARA EO ANIVON’NY FIARAHAMONINA▫️ TOVOLAHY IRAY VOATERY HIAKATRA FITSARANA

ANTSOHIHY : SAMBOARAVOARA EO ANIVON’NY FIARAHAMONINA▫️ TOVOLAHY IRAY VOATERY HIAKATRA FITSARANA

ANTSOHIHY : SAMBOARAVOARA EO ANIVON’NY FIARAHAMONINA▫️ TOVOLAHY IRAY VOATERY HIAKATRA FITSARANA

Efa natelen’ny vola sy fahantrana ny fihavanana eto Madagasikara ‚ ny ory tsy havan’ny manana ary izay manam-bola no manana fahamarinana raha tojo tompon’andraikitra tia sy andevozin’ny vola ; tsy tehierika amin’ny fahamarinana na handany fotoana hanadihady ny trangam-piarahamonina izay miha ratsy andro aman’alina intsony fa mandefa kajy lavitra amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ?

 Tovolahy iray notorian’ny anabaviny izay zokiny no voatery hiakatra fitsarana ‚ tsy hoela eto Antsohihy . Raha ny fanazavana dia bevohoka ity anabaviny ity no nandaroka ny zanany ary tsy nahazaka izany ilay zaza voatrerona sy voadaroka matetika dia vaky nandositra tany amin’ny dadiny ‚ renin-dravehivavy ka dia narahany tany . Teny tsy voahevitra miaraka amin’ny ompa variraka no nataon’ity ramatoa bevohoka ity tamin’ny Reny niteraka azy izay nandray ilay zaza voadaroka ary mbola saika ho darohiny ihany koa raha ny fanazavana . Sendra narary tao an-trano sady naka aina ‚ matoritory eo ambony fandriana anefa ilay anadahiny ( zandriny ) ka voatery nitsangana mba hananatra azy tsy hitabataba fa indrindra hanopa ny renin’izy reo saingy nanelanelana mba tsy hiasan’ny fifandonana sy fikasihan-tànana tamin’izy mianadahy ny Renin’izy ireo.

Akory anefa ny hatairan’izy mianaka ( Reniny sy anadahiny ) fa nikikika niantso vonjy ary nilaza ho voadaroka mafy ilay ramatoa sady nilaza fa hametraka fitarainana eny anivon’ny zandary sady lasa ary nilaza ho naratra.

Andron’io ihany dia tonga naka ilay tovolahy mbola marary sy mbola tsy mahatsangana firy ny zandary avy ao amin’ny Borigady Antsohihy ary nampiditra ilay tovolahy tao anaty « violon » fa tsy mbola nisy famotorana . Nanao krizy tampoka anefa ilay tovolahy marary tao anaty « violon » ka nandodona mafy mba afahany mamonjy ny ainy ary novahan’izy ireo aveo ary nantsoina ny Reniny mba hiantoka azy tsy handositra raha avotsotra ‚ rehefa notazonina iray andro.

 Herinandro taty aorian’ny fitazomana azy vao nanomboka nanao famotorana momba ny tranga ny zandary ary nilaza ny hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana tsy hoela.

MISAMBOARAVOARA MAFY TAHAKA IZANY NY FIAINANA ETO MADAGASIKARA ARY ADINO TANTERAKA NY FIFAMPITSIMBININA SY FIRAISANKINA FA INDRINDRA NY FIHAVANANA‼️❌
Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny…
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment