a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NOREFESIN’INGAHY ZIZY FILOHAN’NY SENDIKA TAXI-VILLE NY BEN’NY TANÀNA AMPERINASA

ANTSOHIHY : NOREFESIN’INGAHY ZIZY FILOHAN’NY SENDIKA TAXI-VILLE NY BEN’NY TANÀNA AMPERINASA

ANTSOHIHY : NOREFESIN’INGAHY ZIZY FILOHAN’NY SENDIKA TAXI-VILLE NY BEN’NY TANÀNA AMPERINASA

Nirarakompana ny fanaratsiana ny Ben’ny tanàna sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy ‚ nataon’Atoa Zizy ‚ Filoha mitarika ny sendika Taxi-ville eto Antsohihy androany 23 Febroary 2023 . Nampangainy ho tompony ketrika maloto sy kolikoly ny Ben’ny tanàna ary tsy misy ilàna azy ‚ raha fintinina sy ahitsy ny tiany ambara nandritra ny tafa niarahany tamin’ny mpanao gazety androany.

 Raha ny fanapahan-kevitra noraisiny fiadidiana ny tanàna tamin’ity taom-baovao 2023 ity dia tsy azo omena alalana hiasa ireo fiara tsy ara-dalàna sy tsy manara-dalàna ( inapte ) ‚ ho fisorohana ny loza sy fitsinjovana ny vahoaka ary fanatsarana ny fomba fiasa . Ny sekretera jeneralin’ny kaominina no misahana fanarahamaso izany mba tsy hisiany fanararaotana . Nandalo tsy fahasalamana anefa ny Sekretera jeneralin’ny kaominina ‚ herinandro vitsy lasa izay . Nandritran’izany no nanararaotra nanefa vola mba hahazo fahazahoan-dalana miasa ireo fiara tsy ara-dalàna ( inapte ) izay voalaza fa namporisihin’ny filohan’ny sendika ‚ efa voahefa ny vola vao traingo ny teti-dratsin’izy ireo ka nasaina nanamboatra fiara aloha ary omena fahazahoan-dalana avy hatrany fa tsy manefa vola intsony rehefa vita ara-dalàna ny fiarany ( apte ) ‚ miisa 06 ireo fiara efa manana “licence Taxi-ville Antsohihy 2023” hatreto ‚ raha ny fanazavana voaray . Io tranga voalaza etsy ambony io no hitarin’Atoa Zizy hoentina handotoana ny kaominina ambonivohitry Antsohihy sy ny Ben’ny tanàna fa manao kolikoly ‚ eo ihany koa ny fanomezana tombony ny chef secteur ‚ izay tsy nakana vola rehefa nanao licence ka ara-dalàna ny taratasiny rehetra ‚ amin’ny maha Ben’ny tanàna dia manan-jo izay hanome tombony ireo mpiaramiasa eo anivon’ny kaominina toy ny lehiben’ny vaki-paritra na ireo lehiben’ny fokontany amin’ny fikarakarana ny raharaha eo anivon’ny kaominina.

Tsy levon’ny vavonin’ny filohan’ny sendika Taxi-ville eto Antsohihy anefa izany ‚ izy rahateo efa tsy nomena alalana hitondra antotan-taratasin’olona haka fahazahoan-dalana hiasa intsony ( izay voalaza fa azahoany vola be fa indrindra ireo fiara tsy ara-dalàna ) . Samy mitondra taratasiny izay mila « licence » manomboka izao ‚ noho ireo lesoka sy fitarainana nateraky ny fomba fiasa teo aloha izay mbola tian’ny filohan’ny sendika ho tohizana.

Napiaka-peo ny Filohan’ny sendika no sady nandrefy ny Ben’ny tanàna ‚ « Izay no tena akaiky vahoaka ary atokisany vahoaka kanefa atositosika rehefa mijoro mitondra antotan-taratasin’ireo mpamily taxi-ville hanao licence » hoy izy nandrahona ny Ben’ny tanàna manoloana ny fifidianana ho avy ‚ arahintsika eto meto ho tohiny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment