a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NORAISIN’NY ZANDARY AN-TÀNANA NY FITSABOANA IREO VEHIVAVY ROA ▪️ TAFAVOAKA VELONA TAMIN’NY LOZA AN-DRANOMASINA NISEHO TAO ANKAZOMBORONA AMBILOBE

ANTSOHIHY : NORAISIN’NY ZANDARY AN-TÀNANA NY FITSABOANA IREO VEHIVAVY ROA ▪️ TAFAVOAKA VELONA TAMIN’NY LOZA AN-DRANOMASINA NISEHO TAO ANKAZOMBORONA AMBILOBE

ANTSOHIHY : NORAISIN’NY ZANDARY AN-TÀNANA NY FITSABOANA IREO VEHIVAVY ROA ▪️ TAFAVOAKA VELONA TAMIN’NY LOZA AN-DRANOMASINA NISEHO TAO ANKAZOMBORONA AMBILOBE

 Ao anaty fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ny fikarakarana ny fitondrasana sy fitaterana olona hivoaka antsokosoko any Mayotte ny Zandarimariam-pirenena ao amin’ny faritra Diana amin’izao ‚ Miara misahalahy sy manampy ‚ raha manam-baovao ny vondron-tobim-pileovana manodidina azy mba afahana mandray fepetra manoloana iny tranga namoizana ain’olona maro tany Ankazomborona Distrika Ambilobe iny.

 Voasakana teo Andilambe ‚ lalam-pirenena faha-06 ‚ croisement Befandriana avaratra ‚ ireo vehivavy roa ‚ 24 taona sy 15 taona anisan’ireo tafavoaka velona tamin’iny Loza nitranga tany Ankazomborona ‚ nandeha taksibrosy avy tany Ambilobe ny alatsinainy 13 Martsa 2023 teo.

 Tsy nisy entana izy ireo ‚ nihendakendaka ny vatany ary nampahonena tokoa nahita azy miarahavavy . Nohentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany izy roa ‚ novidianana lamba sy fitaovana ilainy rehetra ary nokarakaraina ny momba azy mba ho tony sy hilamin-tsaina afahana miroso amin’ny famotorana ‚ hahitana ny marina momba iny tranga iny . Ny zandary no miantoka ny lany rehetra amin’ny fitsaboana sy fikarakarana ireto traboina roa mirahavavy ireto.

 Tsy mbola misy azo resahina ny zandary fa mbola manao ny famotorana ‚ noraisina ho lasibatra ( victime ) izy roa mirahavavy . Ankoatrany ratra izay nahazo azy dia manampitrotraka ny fikorontanan-tsainy izay ezahina alamina afahany miatrika ny famotorana azy . Efa mihatsara ny fahasalamany ‚ efa tonga ihany koa ireo zandary misahana ny famotorana avy any Ambilobe ‚ hoy ny Kolonely Lys Odon Randriamidona ‚ komandy ny vondron-tobim-pileovana Sofia ‚ nitondra fanazavana.

 Tsiahivina fa efa nisy botry nitondra olona ampolony mahery nikasa hivoaka antsokosoko any Comore ‚ tratehaky ny zandary tao Ambatobe Maromandia ny Febroary 2022.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment