a
FandraisanaFambolena sy fiompinaANTSOHIHY : NOMENA FITAOVANA FAMBOLENA SY FANJONOANA IREO TANTSAHA‼️

ANTSOHIHY : NOMENA FITAOVANA FAMBOLENA SY FANJONOANA IREO TANTSAHA‼️

ANTSOHIHY : NOMENA FITAOVANA FAMBOLENA SY FANJONOANA IREO TANTSAHA‼️

Mitohy hatrany ny fizarana fitaovana hoentina hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny jono afahana mamokatra ho fanatratrarana ny tanjona dia ny veliranon’ny filoham-pirenena‚ fahavitan-tena ara-tsakafo hoan’ny Malagasy.

Fitaovana maro sy goavana no nisitrahin’ireo tantsaha mpamboly sy mpanjono androany 06 Jona 2023. Anisan’izany : motoculteur miisa 02, Pulvérisateur miisa 45, Charrue 25kg miisa 22, Hersse à dents miisa 15, Charrette miisa 25, Arrosoir miisa 199, Brouette miisa 31, Angady miisa 57, Pompe Solaire miisa 01, Râteau miisa 34, Fourche miisa 18, Semence d’oignon miisa 99boîtes, Agrimetrine 10litre, Sac en filet 40, Filets GTZ 35, Autres Filets 149, Moteur avec Générateur 01, Pirogue 02, Flotteur GTZ 1750, Autres accessoire des matériels de pêche 7270.

Nanolotra izany tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana Malagasy ny Governora Faritra Sofia ‚ ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy sy ireo Talem-paritra voakasika ‚ ny solontena avy amin’ny FDA‚ ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali.

Nitondra teny fisaorana ny fitondram-panjakana ireo tantsaha nisitraka fitaovana. 10% ny vola ilain’ireo tantsaha amin’ny fitaovana ihany averina dia mahazo fitaovana izy ireo‚ izany hoe raha mila fitaovana miteti-bidy 03 Tapitrisa Ariary dia manome 03 hetsy ireo fikambanana tantsaha araka ny dingana sy fepetra arahina. Fiarahamiasa ny FDA sy fitondram-panjakana Malagasy‚ amin’ny alalany Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana, ny minisiteran’ny jono sy toekarena manga no nahavitana izany rehetra izany.

Mamporisika ny tsantsaha rehetra, hanao fangatahana afahana misitraka izany ny Governoran’ny faritra Sofia, afahana mahazo fitaovana goavana tahaka ireto‚ mba hampiroborobo ny fahazahoana vokatra amin’ny fambolena sy ny jono.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment