a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NOKENDAIN’ILAY TOVOLAHY MPITANDRO FILAMINANA ILAY VEHIVAVY SAKAIZANY▪️REHEFA TSY NANAIKY HINONO FILAHIANY

ANTSOHIHY : NOKENDAIN’ILAY TOVOLAHY MPITANDRO FILAMINANA ILAY VEHIVAVY SAKAIZANY▪️REHEFA TSY NANAIKY HINONO FILAHIANY

ANTSOHIHY : NOKENDAIN’ILAY TOVOLAHY MPITANDRO FILAMINANA ILAY VEHIVAVY SAKAIZANY▪️REHEFA TSY NANAIKY HINONO FILAHIANY

Efa alina be aho no nantsoiny hanatona azy any amin’ny trano fandraisam-bahiny ( chambre ) iray ao Ankiririky . Tsy nisalasala aho nandeha ary niditra tao amin’ny efitrano nisy azy satria tsy vao sambany izahay no niaraka.

Nisy namana anefa izy tao kanefa tsy olàna io namany io raha ny fanazavany ka noesiriko ny lambako dia niakatra ambony fandriana aho ‚ nanatona ihany koa izy efa tsy nanisy lamba ‚ nasainy hinono filahiany aho teo imasony namany aho aveo . Nandà tsy hanao izany aho ka norahonany sy nokendainy aveo nasainy namerim-bola 20 000Ar ary noroahiny hiala tao ‚ tokony ho tamin’ny 01 Ora maraina teo ‚ hoy ilay vehivavy nitaraina taminay amin’ny zavatra nanjohy.

Mpitandro filaminana miasa ato amin’ny faritra Sofia ity voatondro ho nanao herisetra tamin’ny vehivavy iray mipetraka ao amin’ny fokontany Haute ville ‚ Antsohihy ity . Misy ratra eo amin’ny tendany fa efa manaraka fitsaboana izy ankehitriny . Tsy sahy nitoroka ilay vehivavy lasibatra noho ny tahotra sy fampihorohoroana niainany?

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment