a
FandraisanaFilazana manjoANTSOHIHY : NODIMANDRY TEO AMIN’NY FAHA-83 TAONANY‚ RAY AMAN-DRENY SOJABE SALIMO ALY‼️

ANTSOHIHY : NODIMANDRY TEO AMIN’NY FAHA-83 TAONANY‚ RAY AMAN-DRENY SOJABE SALIMO ALY‼️

ANTSOHIHY : NODIMANDRY TEO AMIN’NY FAHA-83 TAONANY‚ RAY AMAN-DRENY SOJABE SALIMO ALY‼️

Omaly 23 Mey 2023‚ tokony ho tamin’ny 09 Ora alina no fantatra fa nodimandry noho ny aretina nahazo ny Ray aman-dReny sady Sojabe eto Antsohihy‚ SALIMO ALY dit Papan’i Lydio Olizara‚ Sekretera Jeneralin’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy.

Saika tazana fona ity Ray aman-dReny ity rehefa misy hetsika na lanonana karakarain‘ny fitondram-panjakana‚ eny na Tanora eto Antsohihy. Ny zanany rahateo‚ mpikambana mavitrika sady mpanolotsaina ao amin’ny vondrona iraisany fikambanana Tanora eto Antsohihy na “Plateforme des Associations des Jeunes”.

Andrasana ao amin’ny tranony ao Ambalakida‚ akaikin’ny Popote ZP Antsohihy ny nofo mangatsikan-dRatompokolahy.
🤍Mirary fiononana feno ary mankahery ny fianakaviana manontolo
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment