ANTSOHIHY : NIZARA HO ROA NY SENDIKA TAXI-VILLE
Vaky ny ady eo ary ho lasa lavitra izy ity raha tsy misy fepetra raisin’ny manampahefana . Fantatra ankehitriny fa nizara roa ireo sendika Taxi-ville eto Antsohihy ‚ iray miaraka amin’ingahy Zizy ‚ ny iray hafa miaraka amin’ingahy Claude ‚ ireto farany moa nivaky noho tsy fifanarahana sy disadisa anatiny.
Samy nampiantso fivoriana izy roa ireo rahampitso alahady 05 Martsa 2023 samy amin’ny 03 Ora tolakandro fa ny iray tarihin’i Claude ao amin’ny Maison des Élus izay hanasana ny olona rehetra tsy an-kanavaka miantsehatra amin’ny asa momba ny Taxi-ville ( tompon’ny fiara sy mpamily ) ‚ ao amin’ny hôtel de France kosa ilay tarihin’ingahy Zizy.
Ho fantatra eto izay tena mahatarika olona na mahatarika mpamily taxi-ville . Andrasana ny mety ho fanambarana ataon’ny andaniny sy ankilany ‚ vahaolana ve sa fanampin’ny olàna ny antom-pivoriana ? Hoy ireo mpanara-baovao mametra-panontaniana.