ANTSOHIHY : NITONDRA TENY FAMPAHEREZANA NY FIANAKAVIAN’ITOMPOKOLAHY ANTOINE DIT LEBOJO IREO TOMPON’ANDRAIKITRA ARA-PANJAKANA
Nitarika ireo mpiaramiasa aminy ‚ sy ireo lehiben’ny sampandraharaha maro ato amin’ny faritra Sofia ‚ nanontrona sy nitondra teny fampaherezana ny fianakavian’itompokolahy ANTOINE dit LEBOJO ‚ ny Jeneraly Lylyson ‚ Governoran’ny faritra Sofia sy ny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy Naryson Roch Léopold ary ny solombavam-bahoaka voafidy tao Analalava Djaossera Irénée androany 26 Septambra 2022 . Raha efa nahavita ny famangiana sy fampaherezana omaly aliny ny mpanao gazety sy mpiasa eo anivon’ny haino vaky jery eto Antsohihy.
Anisany nahavita be tato amin’ny faritra izy mivady ary nametraka tantara amin’ny fampandrosoana ihany koa ‚ raha tsy hilaza afa tsy ny fanamboarana GYMNASE MANARAPENITRA izay andalam-pamitana ao Bekitrobaka.
![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)