ANTSOHIHY : NISY NY SORONA OMBY HO FANAJANA NY FOMBAN-TANY
Manoloana ireo loza maro nisesisesy ‚ namoizana ain’olona maro sy fanana‚ harena saro-bidy maro dia nijoro ary nitondra omby natao sorona teo amin’ny vodimadiro be ‚ ao Bazary be Haute ville Antsohihy ireo Ray aman-dReny ara-dRazana sady mpitanjiny eto Antsohihy ‚ nanao fombafomba ho fanadiovana ny tanàna sy fangatahana ny hialany ratsy ary hidirany fahasoavana eto an-tanàna.
Nosafidiana manokana teo amin’ny vodimadiro be ‚ noho izy toerana masina sy nametrahan’ireo Ray aman-dReny ‚ Razana tompon-tany ny haja aman-boninahitra . Tany no nametrahana kianjan’ny fahaleovan-tena taloha ‚ tany ihany koa fanaovana joro taloha ka tsy tokony ho lotoina na zimbazimbaina ‚ araka ny fanazavana.
Voahota fady ary matolo ny tanàna noho ny tsy fanajana ny fomban-tany ‚ Tezitra ireo Razana tompon-tany ka izany no hevirina ho mahatonga ny loza nisesisesy ‚ hoy JAOMARINA mpitanjiny ‚ zafiny tompon-tany mipetraka ao Madomaiky‚ nitondra fanazavana.
Nandritra ny fotoana nanaovana ny fombafomba sy nandavoana ny omby mazava loha sady matavy ( vondraka ) no nananarany mpitanjiny sy zafin-tany ireo mpivarotra ‚ fa indrindra manodidina ity toerana nanaovana sorona ity mba tsy handoto na hanary fako ao intsony raha tsy tehahazo loza . Nisy avy hatrany ny fanesorana ireo fako nivangongo teny ary fametrahana lamba mena ‚ fandrarahana ràn’omby ho famerenana ny hasiny tany.
Tazana teny an-toerana ny solombavam-bahoaka voafidy teto Antsohihy ‚ ny Governoran’ny faritra Sofia ‚ n’y lehiben’ny Prefektiora Antsohihy ‚ ny Ben’ny tanàna NASIRY Ali ‚ ireo tompon’andraikitra ara-panjakana maro ‚ ireo Ray aman-dReny ara-dRazana ary ny vahoaka eto Antsohihy . Nilaza ny Governoran’ny faritra Sofia fa tsy mijabaka amin’ny fanatanterahana ny fombafomba ny fitondram-panjakana fa manampy kosa raha misy ilana azy amin’ny fanatanterahana izany ho famerenana sy fanomezan-danja ny kolontsaina sy hasina maha Malagasy.