a
FandraisanaSosialyANTSOHIHY : NATOLOTRA OFISIALY IREO ZOKIOLONA NY TOERAM-PIALOKALOFANA SY HIPETRAPETRAHANA REHEFA MANDRAY FISOTROAN-DRONONO‼️

ANTSOHIHY : NATOLOTRA OFISIALY IREO ZOKIOLONA NY TOERAM-PIALOKALOFANA SY HIPETRAPETRAHANA REHEFA MANDRAY FISOTROAN-DRONONO‼️

ANTSOHIHY : NATOLOTRA OFISIALY IREO ZOKIOLONA NY TOERAM-PIALOKALOFANA SY HIPETRAPETRAHANA REHEFA MANDRAY FISOTROAN-DRONONO‼️

Hafanana migaingaina sy masoandro mandoro mafy no mitsena ireo zokiolona mandray fisotroan-dronono rehefa tonga ny fotoana hakana izany eny amin’ny tahirim-bolam-panjakana (Trésorerie générale) Antsohihy‚ noho ny tsy fisian’ny toerana fialokalofana na seza fipetrahana nefa ny hery efa tsy mitovy tamin’ny taloha intsony ary tsy mahavita mitsangana ela.

Nisy araka izany ny fangatahana tonga tamin’ny Governoran’ny faritra Sofia mba hitsinjovana ireo zokiolona sahirana sy miferinaina amin’ny filaharana rehefa tonga ny fotoana fikarakarana taratasy momba ny fisotroan-dronono.

Namaly antso fangatahana ny Jly Lylyson René de Rolland – Governoran’ny faritra Sofia‚ nanamboatra ity trano fialokalofana sady misy seza ho an’ireo zokiolona ity. Androany 15 Jona 2023 no natolotra ofisialy sady nitokanana izany ho fanomezam-boninahitra ireo Ray aman-dReny Zokiolona sy ireo Sojabe an-tanàna.

Afa-pahasahiranana izahay amin’izy Ity ka mankasitraka Atoa Governora Faritra Sofia ‚ ho ela fanapahana anie ianao‚ misaotra amin’ny fitsinjovana anay zokiolona‚ hoy ny solotean’ireo Ray aman-dReny nitondra teny fankasitrahana ny Jly Lylyson‚ izay namasin’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana eto Antsohihy‚ Rtoa Kalo Haritiana Léa.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment