a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NANJAVONA NY LAVANIO 400KG TAO ANATY MAGAZAY▪️TAZONIN-DRANGAHY TOMPONY HO TOMPON’ANTOKA NY SAKAIZANY ( SIPANY )

ANTSOHIHY : NANJAVONA NY LAVANIO 400KG TAO ANATY MAGAZAY▪️TAZONIN-DRANGAHY TOMPONY HO TOMPON’ANTOKA NY SAKAIZANY ( SIPANY )

ANTSOHIHY : NANJAVONA NY LAVANIO 400KG TAO ANATY MAGAZAY▪️TAZONIN-DRANGAHY TOMPONY HO TOMPON’ANTOKA NY SAKAIZANY ( SIPANY )

 Notazonin’ny zandary ( GAPJ : Groupe d’Appui à la Police Judiciaire “ Recherche Criminelles ” ) tao anaty 48 Ora ilay tovovavy nitorian-drangahy sakaizany (sipany) ho tompon’antoka tamin’ny fahaverezan’ny lavanio ( la vanille ) 400 kg very ny marainan’ny alahady 01 Janoary 2023 ‚ andron’ny taom-baovao.

Raha ny fanazavana nataon’ity tovovavy voatana teny amin’ny zandary ity dia mpifanefitra trano izy roa ‚ anaty trano vaventy iray ao Ambalabe Ouest Antsohihy ‚ niara-nivoaka ny trano izy roa mba hiala voly sy hamonjy alim-pandihizana ny 31 Desambra 2022 tokony ho tamin’ny 11Ora alina . Nisotrosotro teny amin’ny BAR iray ampitan’ny Maison Blanche Ambalabe izy roa ‚ mialoha ny handehanana ao amin’ny Club Super Taureau . Rehefa misasakalina dia nilaza ity tovovavy ity mba aterina mody ‚ noho izy mbola hamonjy fivavahana ny alahady voalohan’ny taona ‚ nilaza ho tsy nahavita hanatitra azy amin’ny moto anefa ilay rangahy ka nandeha TAXI-VILLE ilay tovovavy avy eo . Tsy tapaka mifampiresaka an-telefonina anefa izy roa eny an-dalana ilay rangahy rahateo niantso azy mba hiandry azy eo akaikin’ny BAR Ravinara mba hiraka hody aminy . Ilay taxi nitondra ity tovovavy ity anefa nohodina nanatitra olona tany Tsaramandroso ‚ vaky kodiarana tany ka voatery namboarina izany vao afaka nandeha.

 Nody avy hatrany ilay tovovavy fa tsy ho any amin’ny alim-pandihizana intsony fa mbola hamonjy fivavahana ny maraina . Mbola tsy afaka akory ny lambako dia efa tonga izy ary niara-natory izahay ‚ tsy mbola nisy resaka fahaverezan’ny lavanio tamin’izany . Tamin’ny 05 Ora maraina aho nifoha ‚ niomana andeha hivavaka ary nilaza taminy alohany handeha fa zah niverina avy any anefa gaga fa nolazainy fa very ny lavanio 400kg ary izaho no nangalatra azy ‚ hoy ity ramatoa kely voarohirohy teny amin’ny amin’ny zandary ity.

Nosakafiko ny magazay mba hakako serivetako ( Serviette ) saingy tsy nety nisokatra ary nopotehiko ny varavarana aveo ‚ gaga aho fa tsy hitako teo lavanio 36 gony ‚ tombanana ho 400kg . Tsy tehalala olon-kafa fa izy irery ihany no namako tao an-trano‚ hoy ilay rangahy.

Mandeha ny fanadihadiana eny amin’ny zandary ‚ nanamafy ireo olona mahafantatra ity rangahy ity fa efa nisy fotoana very lavanio tahaka izao ilay rangahy ka ny olona mifanolo-bodirindrina aminy ihany koa no notazoniny ho tompon’antoka sy nohendrikendrehany tamin’izany kanefa tsy misy porofo mazava akory . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment