a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NANAO BEMIDINA TAO AMIN’NY CR MAROALA SY AMBALAFAMINTY NY ZANDARY▪️NANDRAVA NY DINA MARANGITRA SY TSY ZAHAGNAELA ARY TSY MITSITSY‼️

ANTSOHIHY : NANAO BEMIDINA TAO AMIN’NY CR MAROALA SY AMBALAFAMINTY NY ZANDARY▪️NANDRAVA NY DINA MARANGITRA SY TSY ZAHAGNAELA ARY TSY MITSITSY‼️

ANTSOHIHY : NANAO BEMIDINA TAO AMIN’NY CR MAROALA SY AMBALAFAMINTY NY ZANDARY▪️NANDRAVA NY DINA MARANGITRA SY TSY ZAHAGNAELA ARY TSY MITSITSY‼️

Ny taona 2018 no nisy mpitandro filaminana farany nandalo tao amin’ny kaominina Maroala fa ny DINA BESABOHA no nohentina nampandrina tany amin’ny halatr’omby sy zava-dratsy ao an-tanàna ka notapahan’ny fokonolona tamin’izany fa izay tratra eo am-pangalarana omby dia atao amin’ny fanaovana azy. Natahotra ny olona rehetra ary tsy nisy sahy nanao asa ratsy tamin’izany kanefa niova ho zavatra hafa izany taty aoriana. Nahazo vahana ny fitsaran’olom-bitsy izay ao anaty fikambanana‚ tsy nijanona tamin’ny halatr’omby ihany ny fanapahan-tenda na famonoana fa hatramin’ny zavatra heverina fa kely‚ eny na tondro molotra aza amonoana olona ka nampitaraina ny vahoaka ifotony.

Nifindra monina sy tsy nahazaka tanàna noho ny disadisa ka mety hiteraka fanapahan-tenda ary tsindrona saboha ny fokonolona sasany‚ eny na ireo lehilahy matanjaka aza. Niova ho DINA MARANITRA ny anarany ary adian-jatovolahy maditra sy mpifoka rongony no mandrafitra azy ka mpampihorohoro sy manampatra fahefana.

Tsy ekana ary voarara ny fitondrana ny raharaha any amin’ny fitsarana na mpitandro filaminana‚ izay tratra miantso zandary na mpitandro filaminana dia iharany DINA, hosorana sakay ny masony ary alefa eo amin’ny masoandro (atapy masoandro) mba ho fay. Tsy maintsy manome vola 400 000Ar ambany indrindra izay manan-draharaha amin’ny mpiray dina ka zary ho fitadiavam-bola sy fandrebirebena ary valifaty amin’ny disadisam-piarahamonina ka izay manambola sy mahalala olona ao anatin’ny mpiray dina no tompony fahamarinana‚ araka ny fanazavana.

Nisy araka izany fitarainana sy fitorohana nataon’ny vahoaka ifotony izay lasibatry ny herisetra ka nandray fepetra ny fitondram-panjakana. Nanao bemidina tao amin’ny kaominina Maroala sy Ambalafaminty ny zandary notarihin’ny Kapiteny Bertin Roger – komandy ny vondrontobim-paritra Antsohihy. Nampianatra sy nampahafantatra ny DINA MALAIN-KALATRA (BESABOHA) izay efa nazahoana fankatoavana tamin’ny fitsarana ary nandrava ny dina maranitra sy tsy zahagnaela ary tsy mitsitsy. Nandositra niala tanàna kosa ireo Tovolahy maditra.

Faly ny vahoaka ifotony ka miantso ny fitondram-panjakana hametraka ny tobin’ny zandary na mpitandro filaminana any ifotony mba hialan’ny fitaintainana sy tebitebin-tsaina ataon’ireo andian-jatovolahy maditra izay mivarolavo amin’ny fidorohana zava-mahadomelona.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment