a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NAMELA TAKAITRA NY VARATRA NISESISESY NARAHAN’NY ORANA SY RIVOTRA▪️OLONA ROA MAY NILATSAHAM-BARATRA

ANTSOHIHY : NAMELA TAKAITRA NY VARATRA NISESISESY NARAHAN’NY ORANA SY RIVOTRA▪️OLONA ROA MAY NILATSAHAM-BARATRA

ANTSOHIHY : NAMELA TAKAITRA NY VARATRA NISESISESY NARAHAN’NY ORANA SY RIVOTRA▪️OLONA ROA MAY NILATSAHAM-BARATRA

Nisesisesy ary nafy ny fipoahan’ny varatra ‚ narahin’ny rivotra sy orana omaly 04 Janoary 2023 teto Antsohihy ‚ nanomboka tamin’ny 04 Ora tolakandro tany ho any . Tsy nandalo fotsiny anefa izany fa namela takaitra.

Nihedaka ‚ nobatain’ny varatra mandady ( vara-mandady ) ary nazerany tamin’ny tany ny tafo fanitso ny EPP Bekitrobaka ka simba ny trano fotaka fianaran’ny mpianatra . Ankoatrizay ‚ olona roa avy amin’ny faritra Sava nanamboatra hisitra ( frein ) ny fiara 4*4 izay niarahany tao analamokonazibe ‚ tombanana ho 50 Km tsy hidirana ny tanànan’i Antsohihy avy any atsimo no nilatsahan’ny varatra ka may tanteraka ny iray ‚ Nohentina haingana namonjy ny toeram-pitsaboana teto Antsohihy moa izy ireo ary efa eo ampiandrasana ny fiaramanidina hitondrana azy ireo ‚ hitsabotena any Antananarivo ny fianakaviany.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment