a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NAHORAKA NY FANDRAISANA SY FITSENANA NY EVEKA VAOVAON’NY DIOSEZIN’AMBANJA

ANTSOHIHY : NAHORAKA NY FANDRAISANA SY FITSENANA NY EVEKA VAOVAON’NY DIOSEZIN’AMBANJA

ANTSOHIHY : NAHORAKA NY FANDRAISANA SY FITSENANA NY EVEKA VAOVAON’NY DIOSEZIN’AMBANJA

Tamin’ny 09 Ora maraina teo no nigadona teto Antsohihy renivohitrin’ny Faritra Sofia ny Eveka vaovao hitantana ny Diosezin’Ambanja ‚ Mgr Donatien Francis Razanamalala sy ireo delegasionina niaraka taminy.

 Nitsena azy teo Anjiabe 07 Km tsy hidirana ny tanànan’i Antsohihy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana izay notarihin’ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy sy ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Sofia ‚ tazana teny ny Solombavambahoaka voafidy teto Antsohihy Rémi dit Jao Jean sy ny Mpanakanto Vaney’s vadiny ‚ niaraka tamin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Bealanana Volahaingo Marie Thérèse ary Ben’ny tanàna NASIRY Ali.

 Nanontrona ny fahatongavan’ity Eveka vaovaon’ny Diosezin’Ambanja ity ny Mpitandrina avy ao amin’ny fiangonana FJKM ‚ ny “Archevêque d’Antsiranana” Mgr Benjamin Marc Ramaroson sady Administrateur Apostolique d’Ambanja ‚ tao ihany koa ny Mgr Rosario Vella ‚ Evekan’ny Diosezin’Ambanja taloha izay miasa any amin’ny Diosezin’i Moramanga ankehitriny.

Nandalo tao amin’ny Sekoly katolika ( Saint Jean Paul II ) Bekitrobaka ny Eveka ‚ nitsodrano ireo ankizy mpianatra ary nitohy tamin’ny diabe namakivaky tanànan’i Antsohihy ka vahoaka no nitsangana nanofahofaha tànana ho fiarabana ny Eveka Tongasoa eto Antsohihy . Nofaranana tao amin’ny Paroasy MD PAOLY Antsohihy ‚ ny diabe androany 11 Janoary 2023.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment