a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : NAHIDITRA AM-PONJA VONJY ILAY RANGAHY MPIJIRIKA ‚ NITAKY VOLA BE 09 TAPITRISA ARIARY ‚ HAMOAHANA OLONA NANGALATRA OMBY

ANTSOHIHY : NAHIDITRA AM-PONJA VONJY ILAY RANGAHY MPIJIRIKA ‚ NITAKY VOLA BE 09 TAPITRISA ARIARY ‚ HAMOAHANA OLONA NANGALATRA OMBY

ANTSOHIHY : NAHIDITRA AM-PONJA VONJY ILAY RANGAHY MPIJIRIKA ‚ NITAKY VOLA BE 09 TAPITRISA ARIARY ‚ HAMOAHANA OLONA NANGALATRA OMBY

Omaly 30 Septambra 2022 no nahiditra am-ponja vonjy maika ity lehilahy mpijirika ( Rabatteur ) ity . Raha ny fanazavana dia nitaky vola be 09 Tapitrisa Ariary ( 45 000 000 fmg ) izy tamin’ny tompon-kavana ‚ Ray aman-dRenin’ny lehilahy iray voafonja noho ny halatr’omby ‚ mba hamoahana azy any am-ponja.

Voatery nivaro-pananana ‚ tanimbary ireo Ray aman-dReny mba hikarakarana ilay zanaka ‚ hanomezana vola 09 Tapitrisa Ariary . Tsy nivoaka ary mbola any am-ponja hatramin’izao ilay olona nangalatra omby ‚ ny vola anefa efa azony sy tsy naveriny amin’ny tompony.

Nisy ny fitarainana tonga teny amin’ny fampanoavana ao fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy momba izany ka izao izy nahiditra am-ponja vonjy maika izao.

Tsy misangy ny fitsarana ary mandray fepetra hetitra amin’ireo mpijirika izay manararaotra sy mamboitry vahoaka . Olona 07 izay voamarina fa mpijirika avokoa no efa nahiditra am-ponja hatreto ‚ raha ny tatitra nataon’ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy.
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment