a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MULTI SERVICES IRAY▪️LASIBATRY NY VAKY TRANO‼️

ANTSOHIHY : MULTI SERVICES IRAY▪️LASIBATRY NY VAKY TRANO‼️

ANTSOHIHY : MULTI SERVICES IRAY▪️LASIBATRY NY VAKY TRANO‼️

 Fitaovana sy kojakoja maro ilaina amin’ny asa ( Ecran palat , fils VGA , clavier ‚ lamasina fanjairan-damba ‚ Subwofer , 10 Carte memoire… ) ‚ miaraka amin’ny vola 1 Tapitrisa Ariary izay natao anaty boatin-drakitra no lasan’ireo tsy mataho-tody ny aliny alahady 19 hifoha alatsinainy 20 Martsa 2023 teo tao amin’ny fokontany Haute ville ‚ ampitany Bazary kafe.

Tsy nisy olona nandre ‚ hatramin’ny mpiandry magazay manodidina eo nilaza tsy nandre ny tranga ‚ efa trano nisavoritaka tao anatiny no novantaniko ny alatsinainy ‚ raha nikasa hamonjy ny asa fivelomako ‚ hoy ilay Tovolahy tompony nalahelo fa very fananana . Ity farany moa nanentana ny rehetra samy ho mailo sy hanamafy ny hidin-trano fa tsy tery lalana ny ratsy.

Efa nisy fitarainana nalefa any amin’ny mpitandro filaminana ka andrasana izay mety ho tohiny.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment