ANTSOHIHY : MITOHY NY FANAOVANA TSINOTSINONA NY VAHOAKA
Na efa miezaka manampy sy mamaha olàna momba ny fahatapahany herinaratra aza ireo mpitondra ifotony ( Governora ‚ Préfet ‚ Ben’ny tanàna… ) dia tsy takona afenina ny fanambaniana sy fanitsakitsahana ny zon’ny mpanjifa ‚ ataon’ny sampandraharaha misahana ny famokarana sy fampandehanana ara-dalàna ny herinaratra eto Antsohihy ‚ amin’ny vahoaka mampiasa izany sy manefa vola isam-bolana ( vidin-jiro sy rano ) any amin’ny orinasa JIRAMA.
Tsy misy fampilazana ‚ tsy misy fampahafantarana na fanambarana ny mpanjifa mialoha amin’ny fisian’ny fahatapahana sy ny faharetany ary ny fiverenany herinaratra fa dia manao izay tiany ny tompon’andraikitra ‚ tsy fantatra izay tena zava-misy na efa manao “ installation ” an’ilay motera vaovao na mbola manao zavatra hafa ka velon-taraina ny mpanjifa maro . Fokontany maromaro no tsy nahazo jiro efa ho 02 andro ‚ mitsitapitapy manaraka izany ihany koa ny famatsian-drano.
Tsy mbola nisy fanazavana ofisialy ankoatran’ilay nataon’ny Governoran’ny Faritra Sofia tamin’ny fandraisana ny milina vaovao ny 05 Janoary 2023 . Nilaza moa izy tamin’izany fa hiroso amin’ny fametrahana milina ireo teknisinina ka tombanana ho 05 andro ny faharetan’izany . Mety mbola hisy ny fahatapahan-jiro mandritran’izany fa tsy nofaritany.