ANTSOHIHY : MITOHY NY FAMONOANA AFO SY FANDRAISANA ANDRAIKITRY NY FITONDRAM-PANJAKANA AMIN’IREO OLONA TRABOINA VOKATRY NY HAIN-TRANO
Nandefa hiraka nankahery ireo traboina avy hatrany ny Minisitra Soafilira Princia raha nandre ny tranga ‚ namoizany tokantrano maro ny fananana vokatry ny hain-trano mahatsiravina niseho androany 05 Oktobra 2022.
Nitondra vary sy voamaina ‚ kojakoja maro toy ny Bodofotsy hirakofana amin’ny alina sns ireo delegasionina nontronon’ny lehiben’ny Prefektiora Antsohihy sy ny sekretera jeneralin’ny faritra Sofia ary ireo tompon’andraika avy ao amin’ny kaominina ambonivohitry Antsohihy.
Arovana mandritra ny fotoana tsy voafetra ilay toerana manodidina nisiana tranga ‚ noho ireo entana mbola maro miparitaka vokatry ny hatairana . Mitohy ny famonoana afo iarahan’ireo tompon’andraika maro isan’ambaratongany sy ny fokonolona ‚ mivezivezy mitatitra rano ny fiaraben’ny kaominina.