ANTSOHIHY : MISESISESY NY VAKI-TRANO ▪️LASANY JIOLAHY IREO FINDAY “ANDROID” AMPOLONY MARO NOKASAINA AMIDY
Manararaotra fahatapahany herinaratra sy orana mikija arahin-drivotra amin’ny andro alina ireo Jiolahy manatanteraka vaki-trano eto Antsohihy . Tokantrano maromaro no efa nandrenesana fitarainana momba ny vaki-trano tao anatin’ny telo volana nisiany « délestage » teto Antsohihy izay . Betsaka ireo very fitaovana sy fananana lafo vidy saingy tsy mbola hita hatreto fa nanjavona tanteraka.
Tokony ho tamin’ny 01 Ora maraina ‚ androany 25 Janoary 2023 no fantatra fa nisy namaky ny trano fitehirizan’entan’ireo mpivarotra ao Madosomaiky ( entamadinika ) . Lasa tamin’izany ny finday ( téléphone Android ) vaovao miaraka amin’ny kojakoja momba ny finday ( accessoires ) ‚ entana amidy ireo lasany jiolahy ireo raha ny fanazavana.