ANTSOHIHY : MISESISESY NY FATY OLONA
Mety ho hisy antony manokana ve ? Hoy ny mponina mametra-panontaniana manoloana ny faty olona nisesisesy tatoato taorian’ireo olona 20 mahery namoy ny ainy vokatry ny loza an-dranomasina tao Ampondrabe ny 11 Septambra 2022 teo.
Ankoatran’ireo efa notaterantsika dia fantatra fa nodimandry androany 27 Septambra 2022 tao amin’ny Hôpital be Antsohihy ‚ itompokovavy RASOANANYENAINA ELISIANNE ‚ Tovovavy tombanana ho 25 taona ‚ mitaiza kely 02 volana ary manan-janaka 05 taona monina sy mipetraka ao Ambalapamba . Namela kamboty roa araka izany izy.
Andrasana ao Drawa ‚ fokontany Ambalabe Ouest akaikin’ny “ Hôtel le Paradiser ”ny nofo mangatsikany manomboka androany . Mirary fiononana sy mankahery ny fianakaviana fa indrindra ny vady andefomandriny ary ireo zanany izay namoy Reny anatin’ny fahazazana![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)
![🙏](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t80/1/16/1f64f.png)
______________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.