a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MIROSO AMIN’NY FAMAHANA NY OLÀNA NY FIRST ÉNERGIE ‼️

ANTSOHIHY : MIROSO AMIN’NY FAMAHANA NY OLÀNA NY FIRST ÉNERGIE ‼️

ANTSOHIHY : MIROSO AMIN’NY FAMAHANA NY OLÀNA NY FIRST ÉNERGIE ‼️

Taorian’ny teny hentitra nataon’ny Jly Lylyson Governora Faritra Sofia ‚ amin’ny tsy maintsy hamerenana ny herinaratra alohan’ny fetim-pirenena Malagasy 26 Jona 2023 dia nidina nanao fanadihadiana ifotony ny lehiben’ny zandary ato amin’ny faritra Sofia – Kolonely Randriamidona Lys Odon – Cdt Groupement GN Sofia‚ mba hahafantarana ny zava-misy marina momba fahatapahan’ny herinaratra mialoha ny fetim-pirenena‚ mba afahana misoroka mialoha ny mety hisian’ny fikorontanana na fametrahana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena.

Nanazava ny tompon’andraikitra fa olàna ara-teknika no nanimba ireo milina miisa 03 ka iray ihany no sisa mandeha ankehitriny‚ efa nisy fitaovana nafarina avy any Port Bergé‚ izay heverina ho tonga androany ka hampitombo ny faritra hisitraka herinaratra eto Antsohihy. Efa miala androany 22 Jona 2023 avy any Antananarivo ihany koa ny fitaovana hoan’ireo milina roa‚ izay heverina ho tonga rahampitso 23 Jona 2023 ka ny sabotsy maraina na rahampitso ariva no vinavinaina hiverenan’ny famatsiana herinaratra ara-dalàna eto Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia araka ny fanazavana nataon’ny tompon’andraikitra ao amin’ny First Énergie nandritra ny fidinana ifotony androany.

Andrasana araka izany ny fahatongavan’ireo fitaovana ireo mba hamaha olàna ateraky ny delestazy eto Antsohihy.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment