a
FandraisanaVaovaom-paritraANTSOHIHY : MIRONGATRA NY HALATRA MOTO

ANTSOHIHY : MIRONGATRA NY HALATRA MOTO

ANTSOHIHY : MIRONGATRA NY HALATRA MOTO

Tao anatin’ny 03 volana ‚ moto maromaro no ré fa nisy nangalatra teto Antsohihy renivohitry ny Faritra Sofia . Moto Cross ‚ marika KAZAWAKI no fantatra fa very tao amin’ny fokontany Haute ville ny volana Desambra 2022 teo ; Moto marika HONDA very tao Antafiampatsa ny volana Janoary 2023 ary izao indray moto marika DF – 150 very tao Ambalabe Ouest Antsohihy ‚ ny 15 Febroary 2023 teo.

Tsy mbola nandrenesam-baovao ny fahitana ireo moto very ireo ary mbola tadiavina hatramin’izao izay hanaovana antso avo amin’ny fiarahamonina sy ny olona rehetra manerana ny Faritra Sofia sy ny manodidina ary ny Malagasy rehetra.

Afaka miantso ny laharana +261322978325 hoan’izay mahita moto DF – 150 izay very ny Alarobia teo . Afaka miantso ny laharana 0322739131 hoan’izay mahita ilay KAZAWAKI.
Tokony samy hitandrina ny rehetra fa miha mahasaky ary sahy manantom-bozona ireo mpanao ratsy ankehitriny.
Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment